Sosialy

Mikorapaka ny fitondrana Te hiady mafy amin’ny fanondranan'olona


  • Talata 24 Mey 2022

Nanaitra ary niteraka adihevitra ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny amin’ny fanamafisana ny fepetra ho an’ireo olona handeha hivoaka an’i Madagasikara. “Mandalo any amin'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka hanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena sy fandinihana ny zava-misy”

Ho fandrindrana ny fivezivezen’ireo mpila ravin’ahitra any ivelany (mpiasa manana andraikitra ambony, mpiasa tsotra, mpiasa an-trano, tanora tovovavy mpanampy), sy ireo mpiasa mpifindra monina mikasa handao ny tanin’ny Malagasy, dia nambara fa tsy maintsy hanarahana ireto dingana manaraka ireto: maka ny fahazoan-dalana (visa) nosoniavin’ny tompon’andraikitra avy amin’ny Masoivohon’i Madagasikara any amin’ny tany haleha mialoha ny hanatanterahana ny fifanarahana arak’asa; Mandalo any amin'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka hanaovana fanadihadiana momba ny fitondran-tena sy fandinihana ny zava-misy ; Mampandalo ny fifanarahana momba ny asa any amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sôsialy ahazoana ny fankatoavana izany; Mampandalo ny fifanarahana momba ny asa sy ny tapakilan’ny fiaramanidina any amin’ny Fitaleavana miahy ny Malagasy am-pielezana ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny;Manatanteraka mialoha ny fisoratana anarana kaonsilary any amin’ny Fitaleavana miahy ny Malagasy am-pielezana ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Tsy maintsy vita 15 andro mialohan’ny hiaingana ireo dingana rehetra voalaza ireo. Noraisina izany fepetra izany mba hiarovana azy ireo amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko miantraika amin’ny filaminan’ny Firenena, hoy ny Minisiter

“ny fananana herijika handeha hiasa sy hivelona any ivelany anefa vao mainka hasarotina”
Eo ny làlan-tsaina hoenti-miady ny fanondranana olona antsokosoko, saingy miteraka kiana ihany koa io hoe: ny famoronana asa eto efa tsizarizary, ny fananana herijika handeha hiasa sy hivelona any ivelany anefa vao mainka hasarotina,… Ireo mpiasa makany amin’ny tany Arabo no heverina fa isan’ny tena kendrena amin’io satria mety tsy voafehy intsony ireo “Agence de placement” ka fepetra faobe no noraisin’ny Fanjakana. Etsy andaniny ihany koa anefa mety nahazo teny mafy tany amin’ny iraisam-pirenena ho efa lasa paradisan'ny trafika mihitsy i Madagasikara: vatosoa, volamena, olona,… Isan’ny mipaingotra antsika matetika amin’ny fanondranana olona ny Amerikanina. Manezakezaka fa te hahazo famatsiam-bola mafy. ,… Tena misy tokoa ny fanondranana olona mivantana sy ankolaka ary fiondranana tsy mazava avy eto. Ireny olona tsy hita popoka sasany ireny mety efa tafiditra ao anatin’izany. Te haneho fa manadio satria saika ratsy avokoa ny naoty amin’ny Demokrasia satria nihemotra, ny resaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety very toerana 41 ary mihazakazaka mamonjy ny rambony.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT