Sosialy

Mikaikaika ireo mpivarotra ao Alaotra Tsy mandeha mihitsy ny tsenan’ny gisa


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Anaty krizy tanteraka ny vahoaka aty Aloatra fa dia sambany no tsy mahavidy gisa intsony ny ankamarony amin’izao fetin’ny krismasy sy faran’ny taona izao,

hoy ny fampitam-baovaon’ny zanak’iny faritra iny. Mikaikaika ny mpivarotra gisa fa tena tsy mandeha mihitsy ny tsena na efa afaka andro vitsy aza ny Krismasy. Raha ny vidiny anefa dia efa nalatsak’ireo mpivarotra ambany dia ambany raha ampitahaina amin’ny vidiny ny taon-dasa. Raha 40.000 Ariary ny gisa farany ambany tamin’ny 2021 dia efa nampidinina ho 35.000 Ariary izany tamin’ity 2022 ity, ary mbola misy ambanin’izany aza. 65.000 Ariary kosa raha lafo indrindra ny gisa vaventy raha toa ka namidy hatramin’ny 90.000 Ariary na 100.000 Ariary tany aloha. Mitontongana ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny satria hatramin’izay dia iray volana mialohan’ny fety no mividy gisa ny olona izay mbola hafahy hiatrehana ny fety. Ny akoho ihany no mba misy mpanjifa vitsy amin’izao fotoana izao noho izy mora vidy, 15 000 Ariary ka hatramin’ny 20 000 Ariary. Tsy ny eto Ambatondrazaka ihany no tsy mahatakatra vidina gisa intsony ny mponina fa toy izany ihany koa ny any amin’ny distrika hafa ao anatin’ny faritra Alaotra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT