Sosialy

Mihetsika ny Zandarimariam-pirenena


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Tsara zaraina mba ho fantatra sy hampisaintsaina ny tsirairay ity fampitam-baovao tao amin’ny pejy facebook n’ny Patrick Raharimanana ity.

 

 


Hoy indrindra ny fitantarany : “ Niverina avy any Mahajanga aho, fa isaky ny ampahan-dalana, indrindra fa ankebakeban-tany dia misy Zandary mitam-piadiana miaraka amin'ny fiara miandry, nefa dia misasak'alina, manao ny ainy tsy ho zavatra.Misy ihany koa ireo Zandary izay manao escorte taxi-brousse.
Tsy nahita kolikoly mihitsy teny an-dalana, ry zareo aza tsy misava “papier”, fa mampijanona fotsiny dia mijery, raha tsy misy ahiahiana dia lasa.Mankasitraka ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny jeneraly Richard Ravalomanana, fa tena ezaka goavana no hita sy azo tsapain-tanana amin'ity ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly eo anivon'ny Zandarimaria ity” .Efa nanao ezaka ihany koa ry zareo any amin’ny fifaninanana fandraisana ireo mpianatra ho zandary…ny antenain’ny rehetra dia hitohy ny ezaka fa tsy sanatria serasera atao mba hanatsarana endrika ny zandarimariam-pirenena amina fotoana voafetra fotsiny !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT