Sosialy

Mihena ny ranon’Andraikiba Mananontanona ny fahirano ao Antsirabe


  • Zoma 27 Septambra 2019

Efa mananontanona ao Antsirabe ihany koa ny olana amin’ny rano. Efa misy fikorontanana mantsy ny famatsiana rano ao an-tanànan’Antsirabe mandritra ny tontolo andro amina faritra maromaro noho ny fihenan’ny ranon’Andraikiba,

 

 

 izay sambany tato anatin’ny taona vitsivitsy no nihenabe toy izao. Raha ny fanazavana azo dia noho ny fahatongavan’ny main-tany dia misy fihenana ny farihin’Andraikiba, ary ny loharano eny Marofangady izay toerana misy ireo toby roa famokaran-dranon’ny JIRAMA Antsirabe, eo ihany koa ny fitomboan’ny filàn’ireo mpanjifa manana fandaniana lehibe noho izany dia tsy maharaka ny rano vokarin’ny JIRAMA na dia efa misy ny ezaka ho fampitomboana ny famokaran-drano. Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano amin’ny alina koa entanina isika mpanjifa hanangona rano ary mba hanao fitsitsiana, indrindra ireo izay manana fandaniana be ho fitsinjovana ny hafa. Ny Jirama moa dia efa naneho ny fialan-tsiny amin’ny fanelingelenana mety aterak’izany ary misaotra antsika amin’ny faharetana.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT