Sosialy

Mihamaro ny mponina Manasarotra ny fandaminana


  • Talata 21 Janoary 2020

Mihamaro ny olona raha Antananarivo no resahina. Misy ireo ankizy teo aloha no mitombo taona ka lasa tanora dia mameno ny arabe.

 

Ao koa ireo mpila ravinahitra avy any ambanivohitra ka mifindra monina ety an-drenivohitra mba hitady izay harapany. Ny faritra Ambohipo, 67Ha, Itaosy sy ny manodidina moa dia lasa tanàn-dehibe ao anaty tanàn-dehibe. Tsy misy intsony ireo miampita eny amin’ny toerana voatokana hanaovana izany na ny « passage zebré ». Ny « passage clouté » moa dia efa voatampina ary nendahina ny vy taminy ka nosoloina marika miloko mitsipitsipika mavo na fotsy taty aoriana. Ny jiro telo loko moa efa fantatra mozean’ny tanàna sisa ka asa na fantatry ny taranaka aty aoriana fa efa nampiasa izany Antananarivo hatramin’ny repoblika faharoa ary jiro sinoa kosa taty aoriana.  Samy miampita eny amin’izay mahafaly ny fony sy mahafinaritra azy ny tsirairay satria tsy misy toerana fiampitana ilay faritra naleha no feno mpivarotra amoron-dalana ny sisin’arabe. Manginy fotsiny ny tsy fanarahan-dalàna maro samihafa. Ao anatin’ny fandaminana sy fanabeazana olom-pirenena ny mpitandro filaminana amin’izao. Hitantsika ireny hetsika etsy Anosy sy Mahamasina ary Tsaralalana ireny. Miaiky ny tompon’andraikitra sasany fa sarotra ny mamerina ny Malagasy hanaja sy hanaraka fitsipika.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT