Sosialy

Miha mangotraka ny krizy Hahatratra 10% ny sondrobidim-piainana


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Natolotry ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison teo anivon’ny Antenimierampirenena omaly ny ny Volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana

na ny LFR 2022, izay mamaritra ny laharam-pahamehan’ny fitondrana. 9,2% ny vinavinan’ny sondro-pidim-piainana ho amin’ity taona ity araka ny voafaritra ao anatin’ny PLFR 2022, raha toa ka 6,4% izany ao anatin’ny LFI 2022. Ambony ihany koa io mitaha amin’ny vinavinan’ny Banky iraisam-pirenena izay 7,7% sy ny an’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) tamin’ny volana may, izay naminavina 8,8%. Manakaiky ny trehimarika roa, izany hoe efa manakaiky ny 10% no vinavinain’ny Fanjakana. Ambany anefa io raha tarafina amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Anton’io ny fiakaran’ny entana iraisam-pirenena noho ny fanafarana izay tsy maintsy ataon’i Madagasikara. Milaza hatrany moa ny Fanjakana, fa tsy eto Madagasikara ihany no miseho ny fidangan’ny vidim-piainana fa saika maneran-tany. Mampanantena moa ny Fanjakana fa ho voafehy io sondro-bidim-piainana io, ary tanjona ny hahatafidinany 7% amin’ny faran’ny taona 2023, araka ny vinavinan’ny Banky Foiben’i Madagasikara na ny BFM. Novinavinaina ho 9% kosa ny fitotongan’ny sandam-bola Euros izany hoe : hiakatra ny sandan’ny Ariary mitaha amin’io, raha toa ka -2% kosa ny fitotongan’ny Ariary mitaha amin’ny dolara ao anatin’ny PLFR 2022. Miandrandra fahamarinan-toeran’ny Ariary ny Fanjakana noho ny politika apetraky ny BFM, ary manantena fa hisy fihatsarana ny fidiran’ny vola vahiny. Nandritra ny telo volana voalohan’ity taona ity, nisy fiakarany kely 0,9% ny Ariary, ary nitotongana 0,5% kosa mitaha amin’ny dolara. Ny adin’i Rosia sy Ukraine moa no isan’ny mamaritra ny tsenan’ny takalo ara-bola. Hatreto, ny resaka ambony latabatra no betsaka! Henjana kosa ny zava-misy iainan’ny vahoaka ary ahiana ho henjana noho ny vinavina ny fahasarotam-piainana, raha jerena amin’ny zava-miseho ara-toekarena, ara-tsosialy,... Manampy trotraka izany ny tsy fahaiza-mitantana miseho amin’ny endriny maro.

40 MILIARA HO AN’NY FAMPIAKARAN-KARAMA…
Hisy fandrotsahana 40 miliara Ar any amin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) ho an’ny ho fanentsenana ny eo anatrehan’ny tsy handrotsahan’ny mpampiasa ny vola tokony harotsany any amin’ny CNaPS na “charge patronale” noho ny fampiakaran-karama ho an’ny tsy miankina, izay 250 000Ar ny karama farany ambany. Misy moa ny fiakaran-karama izay voafaritra fa 5 hatramin’ny 25% ho an’ny mpiasam-panjakana, raha toa ka natsipy any amin’ny mpampiasa kosa ny baolina ho an’ny tsy miankina, afatsy ny karama farany ambany izay efa noferana ho 250 000Ar. Hatramin’izao, tsy misy didim-panjakana nivoaka ny fampiakaran-karama ho an’ny tsy miankina raha toa ka nisitraka avy hatrany ny azy nanomboka ny volana may ny mpiasam-panjakana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT