Sosialy

Miha mafy ny olana ara-tsosialy Ahiana ho tratry ny kere i Nosy Be


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Mahitsy sady mazava tsara ny tenin’ny depioten’i Nosy Be Rtoa Razafindravony Christine raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy ny faran’ny herinandro teo :

 « tsy an’asa ny 90% n’ny mponina ao Nosy be amin’izao fotoana, efa ho roa taona izao no miaina krizy ara-tsosialy i Nosy be ary atahorana ho tratry ny kere raha mbola mitohy izao » .Anton’izany fahasahiranana efa mby an-tenda kely izany ny fikatsoana tanteraky ny sehatry ny fizahantany satria mbola mihidy ny sisintanin’i Madagasikara, izany hoe mbola tsy misy mpizahantany tonga eto.Io sehatra io anefa no tena foto-piveloman’ny vahoakan’i Nosy be ; ankehitriny samy tsy misy asa na ny mpitondra taxi, na ny mpiseradia na ny eny an-tsena hoy ny depiote Razafindravony Christine.Natao ny asa tanamaro (HIMO) sy ny karazana fanofanana saingy mandalo ihany ireny fa tsy mahavaha manontolo ny olana , hoy ity olom-boafidy ity.Miandrandra ny fiverenan’ny fizahantany izahay mba hahafahana miasa fa efa tena anaty krizy, hoy ny depiote Razafindravony Christine.Nisy fotoana moa efa nitokona mihitsy, nilanja sorabaventy ny mpisehatra amin’ny fizahantany ao Nosy Be nilaza ny ahiahy sy ny hetahetan’izy ireo, fa hatreto aloha tsy mbola misy valiteny mazava avy amin’ny fitondram-panjakana hoe rahoviana no hiverina hisokaatra ny sisintany sy ireo sidina maro samihafa miditra eto Madagasikara.Nisy fotoana efa nosokafana ihany koa ny fizahantany tany Nosy be saingy naato indray izany rehefa tonga ny Coronavirus andiany faharoa.Efa vita vaksiny raha ny tatitr’ity olom-boafidy ity ny 90% n’ny mponina ao Nosy be.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT