Sosialy

Migrevy indray ny mpiasan’ny CTC-19 “Tsy misy asa eo raha tsy mivoaka ny karamanay”


  • Zoma 25 Febroary 2022

Mifoha indray ny fitakian’ireo mpiasan’ny fahasalamana niasa tamin’ireo CTC-19 (Centre de Traitement Covid-19). Mpitsabo, mpitsabo mpanampy, mpitsabo misehatra amin’ny fitsaboana ny covid-19 noraisina ny aprily 2021

. Mitaky ny famoahana ny karama volana janoary sy febroary izy ireo, izay nilaza fa leo sy tofoka tanteraka amin’ny tsy firaharahiana sy fanaovana tsinontsinona. Tsy aloa ara-dalàna ny karama, fa mila takiana foana ary 4 volana nisesy tara foana, raha ny nambaran’izy ireo. Tara lava reny, tsy araka ny taratasy fifanarahana, ka takian’ireto mpiasan’ny CTC ireto ny handoavana ny karaman’izy ireo ara-dalàna, raisina isam-bolana. Talohan’ny krisimasy no nandray karama farany, ka nitaky indray ny valin-katsembohany tetsy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana tetsy Ambohidahy omaly. Rehefa nandalo tamin’ny Tale ara-bola dia nolazaina fa ny sekretera no mandray sy hitondra fanazavana. Tsy nahazo valinteny mahafa-po tamin’ny minisitera anefa izy ireo raha ny nambarany, kanefa ora telo no niandrasana. Nilaza fa manana dia aleha any amin’ny Primatiora indray no tompon’andraikitra, raha ny fanazvana. Noho izany, manome fe-potoana hatramin’ny anio amin’ny 8ora maraina ireo mpiasan’ny CTC, ary hampiato ny asany manomboka anio, raha tsy mivaly ny fitakiana. Ho avy ao daholo ny mpiasan’ny CTC rehetra, ary tsy ny CTC eto Antananarivo ihany, fa miray hina ny manerana ny Nosy, hoy ireo mpiasan’ny fahasalamana. Hatramin’izao ve dia mbola misy sehatra ara-panjakana raha tsy migrevy tsy mahazo ny tambin-karamany? Ao anatin’ny vanim-potoana mampafampana ny raharaham-pirenena saingy tsy hay angamba ny misoroka azy. Ny tena loza, manaratsy hatrany ny sary ho an’ny Fanjakana satria raha ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, volabe tsy toko tsy forohana no nomen’ny mpamatsy vola hiatrehana ny covid-19. Ny mpiasa tena miatrika mivantana ny valanaretina anefa tsy mahazo karama ara-dalàna, raha toa ka volabe amina miliara Ar maro no ahiana ho mivily làlana, mety nisy nanodina, nanaovana bizim-pianankaviana sy fanjakana,… Izany ve no antsoina hoe: fanjakana tsara tantana? Sa nisy nanodinkodina ihany koa ny karaman’izy ireo ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT