Sosialy

Mifoha ny tetikasa «Bioéthanol» Ny coronavirus no sakana tamin’ny 2019, hono…


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Tongasoa teto an-taindrazana omaly 07 novambra maraina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, rehefa avy nanatrika ny « COP 26 »

 na ny fivoriambe iraisam-pirenena mikasika ny toetr’andro andiany faha-26 tany Glasgow Ecosse. Fihaonana lehibe sy nahomby satria nahafahany nitondra ny feon'ny Malagasy manoloana ireo olana sy zava-tsarotra isan-karazany, lalovana sy sedraintsika manoloana ny fiovaovan'ny toetr’andro. Fotoana ihany koa nihaonany tamin'ireo Mpitondra firenena lehibe sy fikambanana iraisam-pirenena maro niresahany mikasika ireo karazana fiaraha-miasa sy vahaolana hamahana izany, hoy ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika. Isan’ny noresahin-dRajoelina tany amin’ny COP 26 moa ny antso avo hanetsehana ny famatsiam-bola 100miliara dolara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, niresaka fa mila 100 tapitrisa dolara i Madagasikara ho an’ny tetikasa « biéthanol» ahafahan’ny Malagasy misitraka izany. Hanohy ny firosoana amin'ny fampiasana ireo angovo maintso toy ny “Bioéthanol” i Madagascar. Namafisin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izany tao anatin'ny lahateniny nandritry ny COP26. Tao amin’ny tambajotran’ny Fiadidian’ny Repoblika, dia nambara fa efa nanomboka ny fametrahana indostria mpamokatra izany izay voatery niato noho ny fihibohana nandritry ny hamehana ara-pahasalamana. Hojeren'ny fanjakana ihany koa izay ahafahana manamaivana ny fahazoan'ny tokantrano mividy ilay fatana ampiasaina amin'ny “bioéthanol”, hoy ny Fanjakana. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa ny 8 martsa 2019 no nampahafantaran-dRtoa Mialy Rajoelina ny fanombohan’ny fananganana ozinina ara-indostrialy mpamokatra ethanol tany Ambilobe, ary nambara fa hotokanana ny 8 desambra 2019 izany. Efa nisy hamehana noho ny coronavirus ve teto ny 2019 ? Tsy misy hidiran’ny hamehana izany, saingy any no hanilihana ny tsy fahaizana sy ny tsy fahombiazana mba tsy hilazana hoe fampanantenana poakaty. Rehefa halalinina dia ny vona nenti-nanana no tsy ampy na tsy nisy fa ny fampanantenana sy ny sehoseho no lasa aloha. Ka tsy hanaovana io tetikasa io no nangatahana 100 tapitrisa dolara tany amin’ny COP26? Dia tsy menatra mihitsy ve milaza fa noho ny hamehana no tsy nampandeha ny tetikasa? Rahoviana vao mba hanana ilay antsoina hoe: “honnêteté intellectuelle” na fahintsiana amin’ny zavatra atao e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT