Sosialy

Midongy Atsimo Tsy manana vady hianteherana ny ankamaroan’ny vehivavy


  • Talata 20 Septambra 2022

Tena maro anaka, nefa tsy manana vady hianteherana hamelona azy ny ankamaroan’ireo vehivavy any amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo.

Dimy raha kely ny zaza eo ambany fiahian’ny vehivavy iray, antony mampahazo vahana ny tsy fanjariantsakafo any amin’iny faritra iny. Raha araka ny fantatra anefa dia manana tany midadasika no sady mamokatra Midongy Atsimo . Noho izay fahasahiranan’ny mponina izay anefa dia tapitra hamidiny ny vokatra miakatra hany ka mahatratra 3 ka hatramin’ny efa-bolana izy ireo miaina anaty fahasahiranana ara-tsakafo isan-taona. Irony antsoina hoe : apalibe irony no hohanin’ny mponina izay mbola manta ihany koa, hoy ny vaovao. Ny voany no alainy amin’izany ary afangarony amin’ny rano sy sira dia izay hatrany no hohanina isan’andro. Raha tamin’ny taona 2020 fotsiny moa dia nahatratra 2,60% ny tahan’ny tsy fanjariantsakafo nahazo ireo mponina tao anatin’ity distrika ity izay azo lazaina ho ambany ihany saingy ratsy kokoa ny fisehony. Mikasika ireo vehivavy bevohoka ao Midongy Atsimo ihany koa moa dia fantatra fa kamo manatona tobim-pitsaboana izy ireo amin’ny ankapobeny hany ka vao mainka miteraka tsy fahasalamana eo amin’ny mponina izany.
Pati
Legende : Mahazo vahana ny tsy fanjariantsakafo ao Midongy Atsimo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT