Niakatra tato ho ato ny vidin-javatra sasany ilain’ny olona amin’ny fiainana andavanandro ary nidangana mihitsy. Niakatra 25 isan-jato be izao ny vidin’ny gonin-tsaribao.
Ilay gony novidiana 20 000 Ariary teo aloha, lasa 25 000 Ariary amin’izao. Ny menaka madio iray litatra tsy amin’ny tavoahangy ihany koa nahitana fiakarana 12 isan-jato, lasa 5 600 Ariary raha 5 000 Ariary ny litatra teo aloha. Momba ny saribao manokana, ny feo mandeha dia tsy azo atao ny mikapa ala sy ny mitondra gonin-tsaribao maromaro no mampiakatra ny vidiny ka tsy ahitana arina ny toeram-pivarotana sasany. Ny fanazavana avy amin’ny fanjakana no vahaolana eto na ny politika mazava tian’ny fanjakana hapetraka momba ny fiarovana ny tontolo iainana, kanefa dia tsy misy hatreto.
MENAKA
Momba ny menaka indray, mitobaka izy io eny an-tsena kanefa miaka-bidy. Ny sandan’ny Ariary izay ambany dia ambany mitaha amin’ny vola vahiny toy ny Euro no mahatonga izany. Ny menaka ihany mantsy no niaka-bidy amin’ireo entana ilain’ny olona amin’ny fiainana andavanandro, hatreto. Tsy nisy niakatra anefa ny vidin’ny akora toy ny voanjo, tanamasoandro hanamboarana azy. Eto an- toerana ihany no mahatonga ny fisondrotana, ka mbola mitaky ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ihany koa mba hijery ifotony izay antony izay ka handray fanapahan-kevitra fa mijaly loatra ny vahoaka. Raha efa mandeha antsinjarany hatrany amin’ny 200 Ariary ny menaka vao miala fotsiny ny renivohitra, dia hidina hatrany amin’ny 1 00 Ariary, fatra amin’ny sotro kely. Toy izay koa ny arina, hihakely hatrany ny fatra zakan’ny mpividy. Mampiseho ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny Malagasy ankehitriny ireny. Tsy mahagaga raha ny etona fandrehitra na “gaz” aza efa hamidy antsinjarany atsy ho atsy.
Manga
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.