Sosialy

Miarinarivo Zazalahy 16 taona nanolana zaza 8 taona


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Tovolahy iray, 16 taona monja no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Miarinarivo rehefa avy nanolana zaza vavikely iray vao 8 taona Alatsinainy 08 jona teo tao amin’ny tsenan’i Miarinarivo.

 

 

 

 Olona tsara sitrapo no mampilaza ny polisy fa misy zaza niharan’ny fanolanana teo akaikiny ny 02 jona teo tokony tamin’ny 6 ora hariva. Tamin’ny fanadihadiana dia fantatra fa nofitahin’ity lehilahy ity ilay zaza fa handeha hitady vola. Raha nilalao teo an-tokontaniny. Rehefa nandalo toerana nisy alaala izy ireo dia teo no nanaovany ny filan-dratsiny. Nambanany antsy ilay zaza mba tsy hiantso vonjy ary natsofony tany ambavan’ity zaza ny filahiny ka norahonana fa tsy maintsy hateliny ny tsirin’ainy fa tsy azo arora. Rehefa vita ny filan-dratsiny dia navelany teo ilay zaza. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy fisamborana avy hatrany ny polisy ka tratra tao amin’ny tsenan’i Miarinarivo ity lehilahy ity izay marihana fa mbola mpianatra. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny heloka vitany izy ary nilaza fa noho ny fijerena ireny horonan-tsary mamoafady ireny no nahatonga azy nanao izao fanolanana izao. Natolotra ny fampanoavana ny 09 Jona lasa teo ny tovolahy ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT