Sosialy

Miarinarivo Hazo tsy ara-dalàna 2055 isa no tratra


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Ramy, Nato, Sohihy, Vitanina, Rotsa, Varongy. Ireo no karazan-kazo saron’ny Tobim-paritry ny Zandarimariampirenena tao Miarinarivo ny alin’ny talata 7 desambra teo raha hizotra hihazo an’Antananarivo.

 Fampitam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nanatratra azy ireo. Fiara lehibe 12 no nitondra ireto hazo 2055 ireto izay nahitana « bedard » sy « travers ». Nirotsaka tany an-toerana avy hatrany ny Sekretera Jeneralin’ny MEDD sy ny Talen’ny Foibem-pitondrana misahana ny Loharanon-karena voajanahary azo havaozina sy ny Rohivoahary (DAPRNE) niaraka tamin’ireo Officiers de Police Judiciaire ary ireo tekinisianin’ny ala sy ireo ekipa misahana ny ady amin’ny kolikoly. Olona 12 no voarohirohy amin’ity raharaha ity ary efa an-tànan’ny mpitandro ny filaminana izy ireo hoy ny vaovao. Ireo hazo kosa dia nogiazana ary efa miroso amin’ny dingana fitoriana ny MEDD. Mihatra hatrany ny « Tolérance Zéro » ho an’ireo tratra mitrandraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo harena voajanahary hoy hatrany ny vaovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo hazo tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT