Sosialy

Miaramila nanao herisetra tamina zaza Tsy ekena ny fihoaram-pefy, hoy tafika


  • Alatsinainy 20 Desambra 2021

« Nandray andraikitra avy hatrany ny eo anivon’ny Tafika an-tanety raha nahita ny fitarainana mikasika ny tovovavy iray izay lazaina fa nokasian’ny miaramila tanana.

 Ankoatran’ny fidinana ifotony nataon’ny zandarmaria dia misy ihany koa ny fanadihadiana atao amin’ilay miaramila voalaza anarana ao amin’ny tambajotra serasera samihafa. Tsy ekena eo anivon’ny Tafika ny mety fihoaram-pefy tahaka ny voalaza, ary manaraka ny raharaha akaiky ny lehibe isan’ambaratongany eo amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety », hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fiarovana. Raha ny ambangovangony, dia nandratra zazavavy kely iray sy ny zokiny lahy kely teny Betongolo izy io. Nitsovaka sy nivoa-drà mihitsy moa ny lamosina sy ny lamosiny sy y sandrin’ilay zazavavikely, izay voalaza fa zanaka miaramila ihany koa. Mpiara-monina eny amin'ny Cité Betongolo ny andaniny sy ny ankilany. Efa nitory tany amin'ny zandary ny ray aman-drenin'izy mianadahy. Efa nitaraina hatrany amin'ny fitsarana sy ny fikambanana Fitia, saingy tsy tena nisy valiny. Nanao antso avo sy fanairana ny Mpanao gazety mpiaro ny Zon'ny zaza (RFDIM), nangataka ny hamoahana ny baiko fampisamborana na «Ordre de poursuite» momba ilay miaramila “Sergent” ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT