MIARAMILA

MISOTRO RONONO Nivoaka ny volany,


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

neken'ny Filohan'ny Fanavaozana

Nankatoavin''ny Filohan'ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael ary efa nivoaka ny Complement d'indemnité d'installation ho an'ireo miaramila misotro ronono eto amintsika. Fantatra izany nandritra ny fanambarana nataon'ny solon-tenan'izy ireo ny Commandant Ndrianandraina Harimalala tamin'ny mpanao gazety ny faran'ny herinandro teo. Nanomboka tamin'ny taona 2003 ka hatramin'ny taona 2025 no fantatra fa nihantona tsy voaloha izany volan'ireo miaramila misotro ronono ireo izany. Nankasitraka feno ny Filohan'ny Fanavaozana ny tenany noho izany. Taona maro mantsy no nitakian'izy ireo izany complement d'indemnité izany. nandritra ireo Fitondrana 3 nifanesy teo aloha saingy izao Fitondrana izao irery ihany no mba namaly sy nihaino ny hetahetan'izy ireo. Miantso ireo miaramila misotro Ronono namany ny Commandant Ndrianandraina Harimalala noho izany, mba hivondrona ka hiara-haneho fisaorana ny Filohan'ny Fanavaozana. Zava-dehibe loatra izao fijereny manokana ny sosialin'ny miaramila misotro ronono eto Madagasikara izao hoy hatrany izy naneho ny hafaliany.
Pati
Légende : Ny commandant Ndrianandraina Herimalala !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT