Miaraka amin'ny fanohanana

ara-teknika avy amin'ny OMS,


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

ny USAID dia hanampy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara hampitombo

ny fifantohana amin'ny filàna tolotra ara-pahasalamana, hoy ny fampitam-baovaon’ny Masoivoho Amerikanina. Dingana voalohany ny atrikasa momba ny fahasalaman-tsaina natao ny 6-7 jona teo. Fihaonambem-pirenena voalohany mampivondrona mpandray anjara maherin'ny 160, ahitana mpisehatra, mpikaroka, mpanome tolotra ara-pahasalamana ary mpamatsy vola io. Mikendry ny hampiroborobo ny fahatakarana ny tontolon'ny fahasalaman-tsaina eto Madagasikara, hamantarana ireo fanamby lehibe, ary hamolavola paikady sy hetsika laharam-pahamehana. Hitondra ny heviny amin'ny fanavaozana ny paikady nasionaly momba ny fahasalaman-tsaina ireo mpandray anjara. I Madagasikara, tahaka ny firenena maro, dia miady amin'ny tolotra ara-pahasalamana voafetra, ny tsy fahampian'ny manam-pahaizana manokana, ny tsy fahampian'ny fiofanana momba ny fahasalamana fototra, ary ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola. Nanasongadina ny filana fomba fiasa mivelatra kokoa amin'ny fahasalaman-tsaina, manantitrantitra ny fanohanana ara-tsaina, manatsara ny fahaiza-miady amin'ny adin-tsaina, mampiroborobo ny fanohanan'ny mpiara-miombon’antoka, ary mampiroborobo ny faharetana sy ny fitomboana amin'ny alàlan'ny fandehanana mihoatra ny modely ara-pitsaboana nentim-paharazana ny fihaonambem-pirenena. Amin’ny alalan’ny tetikasa CERF ho fiatrehana ny haintany, ny OMS dia nanome fikarakarana ara-pahasalamana sy fitsaboana ho an'ny olona voan'ny fahasembanana tamin'ny taon-dasa, tany Atsimon’ny Madagasikara ary manohy manitatra ny ezaka ataony amin'ny fanomezana toro-hevitra ara-tsaina bebe kokoa. “Tsy maintsy ho laharam-pahamehana ho an'ny faritra samihafa eto amin'ny firenena ny fananana tolotra neurolojia sy tobim-pahasalamana bebe kokoa amin'ny taona ho avy. (…) Noho ny fanoloran-tenan’ny tsirairay dia hiarahantsika miatrika ny toe-pahasalamana manjaka eto Madagasikara sy miatrika ny olan’ny fahasalamam-bahoaka any ambanivohitra mba hisian’ny fahasalamana tsara ho an’ny rehetra, ka tsy hisy ho tavela intsony”. Hoy ny nambaran’i Dr. Laurent Musango , Solontena Maharitry ny OMS eto Madagasikara. Namolavola ny paikady momba ny fahasalaman-tsaina voalohany ny USAID ary nanendry Mpandrindra Iraisampirenena ho an’ny Fahasalaman-tsaina, Dr Jerome Galea, izay nivahiny teto Madagasikara nandritra ity hetsika ity. "Eto anivon’ny USAID, mino izahay fa tena ilaina amin'ny sehatra rehetra amin'ny fampandrosoana sy ny fanampiana maha-olona ny fahasalaman-tsaina sy ny fanohanana ara-tsaina”, hoy ny Dr. Galea.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT