Tafiakatra 700 Ar ny kapoakan’ny vary any Amboasary Atsimo amin’izao fotoana izao, raha 500 Ar teo aloha.
Voatery mamonjy ny renivohitry ny distrika ny mponina mba hividy sakafo. Mivarotra ireo fiompiana kely mba miangana mba hahafahana mividy vary, mangahazo, menaka. Raha midangana ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro dia mijotso kosa ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN. Ankoatra ny vary, dia vidiana 1000 Ar ny kilaon’ny mangahazo izay 400 Ar teo aloha, lasa 6000 Ar ny litatry ny menaka izay 4800Ar telo aloha. Ny omby izay amidy 1 000 000Ar teo aloha anefa lasa 600 000 Ar, ny osy 600 000 lasa 250 000 sisa. Mila jeren’ny fanjakana akaiky ny toe-javatra tahaka izany satria tena mijaly fadiranovana ny vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.