Sosialy

Miantso ny fanjakana ny FISEMARE “Fisondrotana fa tsy fihenan-karama no ilaina amin’ny 2023”


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Taorian’ny didim-pitondrana fampiharana ny didim-panjakana fampidinana karama dia tsy mazava anay eto anivon’ny

FISEMARE na Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera, hoy ny fanambaran’izy ireo tetsy amin’ny foibeny etsy Anjanahary omaly ny tian’ny fanjakana atao. Raha niteny, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael, ny filoham-pirenena hoe 250.000 Ariary ny karama farany ambany dia rehefa navoaka ny didim-panjakana mikasika an’io dia nazavaina tamin’izay hoe karama farany ambany raisina isam-bolana. Rehefa nivoaka ny didim-pitondrana nolazaina ho fampiharana azy dia hoe karama farany ambany ho an’ity taona 2022 ity ihany indray ilay izy. Rehefa jerena tsara io dia hoe tsy alefan’ny mpampiasa any amin’ny CNaPS intsony izany ilay 13% avy aminy fa alefa any amin’ny mpiasa. Ny an’ny mpiasa ihany izany no hamenoan’ny fanjakana ilay 250.000 Ariary. Hidina 217.000 Ariary indray izany ilay karama amin’ny taom-baovao. Tsy rariny izany. Isan-telo volana ny fandoavana latsak’emboka ao amin’ny CNaPS. Efa lasany izany ny may hatramin’ny septambra. Nametra-panontaniana tamin’ny mpampiasa izahay hoe ahoana no hahazoan’ny mpiasa fampahatsiahivana na “rappel” fa tsy nahazo valiny. Ahiana tsy hisitraka an’io izany ny mpiasa malagasy. Mbola ho sarotra ho an’ny mpampiasa koa tsinona ny hitaky an’iny any amin’ny CNaPS avy eo. Miantso ny fanjakana izahay dieny izao hoe tsy tokony hisy karama midina izany. Miantso ny fanjakana hanamora ny fifampiresahana izahay. Tokony efa hisy fifampiresahana amin’ity volana ity ho an’ny fisondrotan-karama 2023. Aprily any no mahazatra antsika vao misy didim-panjakana mivoaka dia may vao misitraka fisondrotan-karama ilay mpiasa. Ny vidim-piainana nefa miakatra. Miteraka fikorontanana eo amin’ny fitantanana ny tokantrano tsirairay ny fidinan’ny karama. Tokony harenina dieny izao io, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT