Sosialy

Mialoha sy aorian’ny fety Hisy fanaraha-maso ny vidin’entana


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Hisy fanaraha-maso ny vidin’entana mialoha sy mandritra ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ho avy izao.

 

 Raha araka ny zava-misy hita eny an-tsena eny mantsy dia efa manomboka midangana sahady izany ka ho an’ny hazo noely kely tsy ampy 1 metatra ohatra ny haavony dia efa tafakatra 200.000 Ar latsaka ny vidiny. Noho ny tsy fisian’ireo karazan’entana tonga any ivelany no nambaran’ireo mpivarotra fa anton’izany. Mety mbola afaka 3 volana any ho any tokoa mantsy vao hisy izany. Na izany aza anefa dia tsy hanaiky mora ny fanararaotana ny mpanjifa ny Minisitry ny varotra Rakotomalala Lantosia . Nisy ny resaka nifanaovany tamin’ireo mpandraharaha any Toamasina hahafahana mifehy ny vidin’entana ho fitsinjovana ny sarababem-bahoaka. Samy nanaiky izany avokoa moa ny rehetra indrindra fa ireo mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ilay antsoina hoe : PPN. Nomarihin’ny Minisitra moa fa tsy handray fahatany izay entana nafarana avy any ivelany ihany koa isika na dia nandalo krizy aza fa rehefa tonga ny fotoana dia tsy maintsy jerena ny kalitaon’izany mba tsy hahafaty antoka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT