Sosialy

Miala any ny krizin-tsakafo Efa ho 700 Ar ny kapoakan’ny vary


  • Talata 24 Novambra 2020

Miha midangana andro aman’alina ny vidim-bary amin’izao fotoana izao, na

 

 

mbola tsy tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana maitso ahitra aza isika. .Toa tsy mitsahatry ny miaka-bidy, hany ka lasa mampitaintaina ny isan-tokantrano satria maro no mividy vary isan'andro amin'ny kapoaka fa tsy manana fahafahana tonga dia hividy amin'ny kilao maromaro na amin'ny gony intsony noho ny fahasarotan’ny fiainana. Manodidina ny 630Ar hatramin’ny 700Ar ny kilao amin’izao fotoana izao arakaraka ny kalitaony ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, raha manodidina ny 550Ar izany tamin’ny tapa-bolana lasa. Any am-potony, toy ny any Ambatondrazaka dia efa tafiakatra 600Ar ny kilaon’ny makalioka. Ny 04 novambra 2020 lasa teo no nilazan’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara Atoa Henry Rabarijohn, fa ny 10% amin’ny vary ho antsika no hafarana dia nahoana no hoe mitotongana ny ariary dia hasondrotra ? Fanararaotana no betsaka raha jerena amin’ny fanazavana io, fa tsy dia misy fiantraika ny loatra amin’ny fitotongan’ny sandam-bola ariary izay manodidina ny 4800Ar eo ho eo. Raha raisina amin’io, dia efa fantatry ny mpitondra ny olana, ka inona no tsy hamahana azy fa toa minia mikipy sy misitri-belona na mety variana amin’ny resaka ambony latabatra? Marina fa nanao ireny vary mora, vatsy tsinjo, tosika fameno,… ireny ny Fanjakana, saingy tsy vahaolana maharitra, ary tsy mahasahana ny sarambabem-bahoaka. Eto Analamanga fotsiny, ohatra, dia efa misy distrika nisitraka, ary nisy tsy noraharahiana. Miandrandra vahaolana maharitra ny vahoaka, ary tsy ny fizarazarana na ny fanaovana tsena mora izay indraindray lasa kajikajy politika no andrasana, fa ny fitadiavana vahaolana hampidinanana ny vidim-piainana ankampobeny. Filàna fototry ny Malagasy ny vary, ka raha mahavita hampidina 15% ny vidin’ny lafarinina ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany izay toa amin’ny alalan’ny fampihenana ny tataon-ketra amin’ny fanafarana akora fototra varim-bazaha na “blé”. Nahoana no tsy mahavita mampidina ny vidim-bary ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT