Sosialy

Mercia Raolijon Hampandroso ny tontolo ambanivohitra


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana depiote omaly 12 martsa tetsy amin’ny OVEC Nanisana i Mercia Raolijon.

 

 

Tamin’ny anaran’ny tenany no nirotsahany ary ny fahitana ny fahasahiranan’ny vahoaka indrindra ny any amin’ny tontolo ambanivohitra no nanosika azy hilatsaka. Olona tsotra ary tanora tia mifandray aman’olona ny tenany. Vehivavy mandray andraikitra hoy izy no fototry ny fampandrosoana ary miainga eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny fandresena ny fahantrana. Nilaza ihany koa ity kandida vaovao tsy miankina avy eny avaradrano ity fa hiady mafy ho an’ny vahoaka satria tena sahirana ny fiaraha-monina ifaneraserany. Tsy hanao kolikoly ny tenako hoy izy ary hiezaka handroso soso-kevitra ny amin’ny lalàna indrindra ny amin’ny fananan-tany izay tena mampikaikaika ny maro any ambanivohitra any. Hampanjaka ny fahamarinana aho hoy izy ary tena hiaino sy hitatitra ireo hetahetan’ny vahoaka

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT