Mena ny mari-drefy ho an’ny tontolon’ny asa

«Mangina ny minisiteran’ny asa»


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

hoy ny Randrana sendikaly. Ao, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny resaka zokiolona sy fisotroan-dronono. Ny 2022 dia tapitra ny fotoam-piasan’ny filankevim-pitantanana tao, hoy izy. Tsy nampiasaina ny fisoloan-tenan’ireo sendika na «représentativité», izany hoe solontenan’ireo mpiasa. Tokony efa handeha tamin’izay fotoana izay ny fisoloan-tena ho an’ny taona 2021 fa tsy nalefa ilay izy fa nanaovana didim-panjakàna manokana dia notendrena ny filankevim-pitantanan’ny CNaPs tamin’izay fotoana izay ary natao hiasa mandritry ny 3 taona. Hatramin’izao tsy nokitihana ilay fisoloan-tena ary nahaton’ny filankevim-panjakàna moa ny fisoloan-tena 2021-2022. Nihanahana teo fotsiny. Tapitra izao ny fe-potoana. Nanomboka ny janoary izany isika tokony nanao kajy hamoahana ny fisoloan-tena manaraka. Mangina ny minisiteran’ny asa. Inona no dikan’ilay mangina? Efa nahavita fifidianana isika ny 2023-2024. Tokony mandeha izany izao ny resaka fisoloan-tena fa mangina ny minisitera. Satria ve tapitra amin’ny septambra indray ny fotoam-piasan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny CNaPs dia aleo indray tohizana «dérogation» na fanitarana toy ny tany amin’ny 2022? Ilay zon’ny mpiasa mihitsy izany no potehina satria tsy mahavaly intsony ny zava-misy amin’ny tontolon’ny asa ny lalàna itondràna ny solontenan’ny mpiasa eo amin’ireny filankevim-pitantanana ireny. Na filankevim-pitantanan’ny CNaPs io. Mbola eo koa ny INFP, Intra, ireo «service médicale interentreprises» na sampan-draharaham-pahasalamana misahana orinasa rehetra. Tena vonon-kanaja ny zon’ny mpiasa ve ny minisiteran’ny asa? Mena ny mari-drefy ho an’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Tsy mazava ny paikady ho an’ny fitantanana ny tontolon’ny asa. Na ny lalàna aza tsy arahan’ny minisitera fa aleony mamorona «dérogation» isak’izay mandeha, izay tsy mifanaraka amin’ny tontolon’ny asa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT