Médaille de travail” tsy ara-dalàna

Nitory ireo mpiasa, hijery akaiky ny Sendika


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Ny sendika FISEMARE, CTM, SEKRIMA no nifarimbona nanohana ireo mpiasa niady ho an’ny tsy rariny mahazo azy

ireo eo anivon’ny orinasa iasany nanoloana ny sampan-draharaha fanaraha-maso ny asa tetsy Antsahavola omaly. Betsaka ny fototry ny savorovoro, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Firaisam-ben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera na FISEMARE, Mananandro Jean Raphaël, satria niainga tamin’ny fanapahana karama ilay izy dia tonga teo amin’ny resaka filàna an-davan’andro na PPN dia nandeha tamin’ny resaka famoahana medalin’asa na “médaille de travail” tsy ara-dalàna. Tsy mahagaga moa ilay zava-misy, hoy izy. Lalàmpanorenana aza hitsakitsahan-drizalahy ka maika ve fehezan-dalàna mifehy ny asa? Hijery akaiky sy hanaraka izao raharaha izao ny sendika 3 tonta, na izany na tsy izany. Manomboka any amin’ny toeram-piasana hatrany amin’izay hitondrany azy. Mandeha amina lalana miisa 2 izao ny dosie. Ny 1 ady heloka. Ny 1 ato amin’ny sampan-draharaha manara-maso ny asa. Miandry ny valiny fa mazàna moa rehefa ny mpampiasa no mitory dia mandeha aingana ny raharaha. Rehefa ny mpiasa dia tsy hay intsony izay iafarany. Izay aloha no zava-misy eto Madagasikara. Hanampy ny mpiasa amin’ny famahana olana sy fametrahana ny fitoniana ara-tsosialy eny anivon’ny toeram-piasana ny sendika. Manome tolon-tsaina no anjaran’ny sendika fa rehefa tena tsy azo hanoharana dia tsy maintsy haka mpisolovava angamba, hoy hatrany izy ireo!
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT