Sosialy

MCI – vidim-piainana “Maniry toy ny anana ny mpijirika”


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Tao anatin’ny 4 volana nisesy, ankoatry ny tao aorian’ilay “operation vidin’entana” izay tsy nahomby niarahana tamin’ny minisitera tompon’andraikitra dia mbola gaga sy talanjona izahay

 fa vao miha miakatra tsy tana intsony ny vidim-piainana, hoy ny avy eo anivon’ny hetsika fanoherana ny fidangan’ny vidim-piainana na MCI. Tsy nitsahatra nanara-maso nidina ifotony nijery ny anton’izany izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo. Tsy nitsahatra nanolotra vahaolana koa izahay nefa ny mampalahelo dia tsy misy mihitsy ny finiavan’ny tomponandraikitra hanatanteraha ireo vinavina neritreretina nampidinana izay vidim-piainana izay, indrindra, ireo filana an-davan-andro toy ny vary sy menaka. 700 ariary ny atody. Misintona ny sain’ny mpanjifa koa izahay mba handray andraikitra tsy hanaiky hividy izany. anaty 3 volana ve dia misy fiakarana 300 ariary be izao? Aza miteny mihitsy isika hoe ny lalana no antony. Ny solika koa io mbola tsy miakatra ny vidiny. Misy manararaotra ao ary mbola hitenenanay ny minisitera tomponandraikitra foana mba hijery ireo mpijirika be dia be maniry toy ny anana ireo, hoy hatrany ny MCI.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT