Sosialy

MAZAVAL RUN andiany fahatelo Hotanterahina ny 15 jona ho avy izao


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Hotanterahina amin’ny sabotsy 15 jona ho avy izao ilay hetsika Mazaval Run andiany fahatelo, karakarain’ny Okalou.

 

 

 

 Eny amin’ny kianjan’Alarobia no hanatantosana ny hetsika, manomboka amin’ny 06 ora hariva ka  seho sy dihy  amin’ny sehatra maro samihafa  no hisantarana azy.  Ireo  DJ  malaza eto amintsika toa an’i Cyemci, Johan, Jicco…. no hanohy ny lanonana manomboka amin’ny 8 ora alina. Hampiana betsaka kokoa noho ny teo aloha ny jiro sy ny karazana “effet spéciaux” hampiasaina amin’ity taona 2019 ity, raha ny fantatra. Mpiambina miisa 120 no hiambina ny tanàna amin’io alin’ny sabotsy io hahafahan’ny mpianakavy, ny ankizy ary ny tanora miala voly tanteraka. Hisy ny toerana natokana  hiandrasan’ireo izay tsy afaka mody amin’ny 12 alina miandry ny andro maraina raha ny fantatra hatrany.  Tohanan’ny orinasa Star ny hetsika ka hisy ny fizarany ny ranom-boankazo sy XXL eo am-pidirana ho an’ireo mamandrika toerana amin’ny VIP.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT