Sosialy

Mausolé Mpanendaka tratra teo am-pisintomana pôketrana vehivavy


  • Zoma 07 Jona 2019

Lehilahy mpanendaka iray no voasambotry ny pôlisy teny Mausolé ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 05 ora maraina rehefa avy nanendaka vehivavy roa nikasa handray taxibe teny an-toerana.

 

 Raha tsiahivina kely ny tantara dia nanaraka ireo vehivavy roa ireto ilay mpanendaka izay marihina fa miisa roa koa. Nony tonga teo amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe anefa izy ireo dia nanatona ireo vehivavy roa akaiky  ireo olon-dratsy ka nisintona ny pôketran’ny iray tamin’izy ireo. Rehefa azon’ireo mpanendaka roalahy izany dia lasa nandositra izy ireo ka finday  iray  sy lela-vola 80.000 Ar no azony tamin’izany niampy  taratasy maromaro mahakasika ilay voaendaka.  Mbola nanam-bintana anefa ireto farany satria nisy pôlisy nanao fanamiana sivily nanavotra tampoka izy ireo  ka  mpanendaka iray no tratra raha  mbola hifampitadiavana kosa ilay namany iray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT