Sosialy

Matsiatra Ambony Tapitra ny fizarana vatsy Tsinjo


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Nifarana ny fanomezana ny vatsy Tsinjo tany Matsiatra Ambony ka ny distrika any Lalangiana no nisitraka izany farany.

 

 

 

Ny minisitry ny tontolo iainana sy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana no nizara izay vatsy tsinjo niisa roa izay isaky ny fianakaviana. Miisa 148 ireo fianakaviana nihiboka tanteraka tao amin` ny fokontany Ambalavao atsimo noho ny fisian` ny tranga voamarina iray tany an-toerana. Nalefa tany an-toerana ihany koa ireo mpitsabo 38 nanao fitiliana PCR. Nisitraka izany daholo na ireo mpiasam-panjakana na ny mpitandro filaminana izay nandamina ny asa tany an-toerana. Omaly ihany koa no nanolorana ny vatsy tsinjo ho an` ireo nilatsaka an-tsitra-po niisa 445 izay niasa tao anatin` ny fizarana ny vatsy Tsinjo tao Fianarantsoa. Notolorana vatsy tsinjo, tambavy CVO ary tambin-karama 50 000 ariary izay avy amin`ny filoham-pirenena izy ireo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT