Sosialy

Masomboly vary safiotra Manomboka maharesy lahatra ny tantsaha any Alaotra


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Efa misandrahaka amin'ny faritra maro any Alaotra ny masomboly vary safiotra na hybride. Ireo tantsaha ao amin'ny kaominina Ilafy amin'izao dia efa liana amin'ny fampiasana azy ity noho ilay izy vetivety foana dia efa miakatra ary tsy dia betsaka masonkarena.

 

Nambaran’ny ben'ny tanànan’ny kaominina Ilafy Rtoa Rasoarinirina Jaqueline fa efa betsaka ireo tantsaha ao amin'ny kaominina hiadidiany no niroso tamin'ny fampiasana io masomboly io. Tsara ny vokatra niakatra raha mitaha amin'ny vary isan-taona, hoy izy. Manodidina ny 9 taonina isaky ny hektara ny vokatra niakatra raha tsy nisy afa tsy 2 na 3 taonina isaky ny hektara ny masomboly mahazatra ny tantsaha. Nanentana ny tantsaha namany Rtoa ben'ny tanàna mba samy hanaraka ny toromarika omen'ireo teknisianina amin'ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Ho tratra ny tanjona amin'ny fahavitantena ara-tsakafo raha samy mampiasa io masomboly io ny vahoaka malagasy, hoy izy.

                                                           

Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT