Sosialy

Masoivohon’i Vietnam miasa eto Madagasikara Hijery akaiky ireo tanora sy zokiolona taranaka Vietnamiana


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Hijery akaiky ireo tanora sy zokiolona taranaka Vietnamiana eto amintsika ny masoivohon’ity firenena iray ity vaovao Atoa Le Huy Hoang.

 

 Raha araka ny fantatra, maro amin’ireo tanora taranak’izy ireo eto amintsika no manana tetikasa hahafahana mivoatra saingy ny hoenti-manana no tsy ampy. Anisan’ireny  ny vola hampiasaina, ny fitaovana, ny famolahana ny tenin’ity firenena iray ity sy ny fahafahana manohy fianarana any Vietnam. Efa nisy nampianatra teny Vietnamiana maimaimpoana  ihany izy ireo teo aloha saingy roa volana monja dia nijanona. Betsaka ihany koa ireo maniry ny hianatra ny kolontsaina Vietnamiana toy ny nahandro sy ny fomba fiainana amin’ny ankapobeny hahafahana mampahafantatra ity firenena iray ity eto amintsika. Nambaran’Atoa Le Huy Hoang fa hanao ezaka ny tenany ka lohalaharana ny fampirahavaviana tanànan’Antananarivo sy Vietnam. Toraka izany koa ny fifanakalozana mpianatra nahavita fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony arahin’ny fitondrana ireo ankizy efa vonona handeha hitsidika fotsiny an’i Vietnam. Tsy ho latsa-danja amin’izay ireo zokiolona taranaka Vietnamiana izay nitaraina taminy ny faran’ny herinandro teo. Roa na telo izy ireo no hoentina hijery ny toerana niavian’ireo niandohany. Hojerena ihany koa ny vola fisotroan-drononony. Nisy ny fihaonana mivantana notanterahin’ny roa tonta ny sabotsy teo teny Anosivavaka Ambohimanarina. Tsiahivina moa fa miisa 500 izy ireo no mivondrona ao anatin’ny fikambanana, zanaka Vietnamiana nanambady teratany Malagasy teto amintsika.

 

 Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT