Sosialy

Masoivohon’i Etazonia Hanampy ireo kaominina ao amin’ny IPAM


  • Zoma 25 Febroary 2022

Fotoan-dehibe ho an’Ampitatafika ny andron’ny omaly Alakamisy 24 Febroary. Tonga nitsidika ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina mantsy Rtoa Amy Hyatt masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika

 amin’ny maha-filohan’ny Ivon-toeram-panajariana an’Antananarivo sy ny manodidina azy na ny IPAM. Tonga marobe nanotrona ity fotoan-dehibe ity ireo Ben’ny tanana manerana ireo kaominina 38 isa mpikambana ao anatin’ ny IPAM no sady naneho ny hetahetany ihany koa. Anisan’ny tena anton-dian’ity masoivohon’i Etazonia ity teny an-toerana rahateo ny ny hihaino ny hetahetan’ireo Ben’ny tanana sy ny maharary azy amin’ny resaka asa fampandrosoana ka anisan’ny tena voakasika ny fiompiana, ny fambolena, ny fampianarana, ny resaka rano fisotro madio ary ny fahasalamam-bahoaka. Nohamafisin’ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika fa hanao izay fara heriny izy ireo hanampiana ireo kaominina mivondrona ao amin’ny IPAM. Mety tsy ho 100 % anefa izany hoy izy fa izay tratra sy vita ihany. Nosinganiny manokana ny resaka fahasalamana ka nanomezany vaksiny be dia be ho an’i Madagasikara ho enti-miady amin’ny valan’aretina COVID 19. Tsy nandoavam-bola izany hoy izy fa maimaim-poana. Nankasitraka tanteraka izao fandalovan’ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto amintsika izao teny Ampitatafika moa ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina ary mbola manantena hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hanampiana ireo kaominina 38 minodrona ao anatin’ny IPAM.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT