Sosialy

Marovoay_Voka-dratsin’ny rivodoza Rava hatrany amin’ny 95% ny fambolem-bary


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Rava hatrany amin’ny 95% ny fambolem-bary any amin’ny distrikan’i Marovoay vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso.

Raha tsiahivina kely anefa dia anisan’ny sompitr’i Madagasikara ity distrika iray ity ankoatra an’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Very fanahy mbola velona ireo tantsaha mpamokatra vokatr’izany no sady mampahafantatra sahady fa mety hidangana ny vidim-bary raha toa ka tsy misy ny famonjena sy ny fanampiana azy ireo. Tsiahivina moa fa betsaka ireo nanararaotra ireo tantsaha tany an-toerana nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso farany teo iny. Marobe mantsy ireo omby very sy trano novakian’ny jiolahy, tranga niseho nandritra ny tsy fahafahana nivoaka vokatry ny ora-nikija tsy niato. Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina tany an-toerana omaly ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary nahitana menaka, fotsimbary…Tsiahivina moa fa miisa 20.000 ireo traboina any amin’ny distrikan’i Marovoay amin’izao fotoana izao.
Pati
Legende : Simba avokoa ny voka-bary any Marovoay !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT