MAROVOAY SY AMBATONDRAZAKA

Efa lasa tsaky sy laoka koa izao ny voalavo


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Asa na noho ny fahasahiranana amin’ny halafosan’ny hena eto amintsika na noho ny antony

hafa fa efa lasa hataon’ny sasany tsaky sy laoka hihinanam-bary koa ny voalavo amin’izao any amin’iny distrikan’iny Marovoay iny. Ny ankizy no mihaza sy mivarotra izany ka 500 hatramin’ny 1000 Ar no hivarotany ny iray miankina amin’ny habeny. Toraka izany koa ny any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka any hoy ny vaovao. Efa hataon’ny olona tsaky sy laoka koa izy ireny, mihinana ireo gidro sy vary any anaty zetra izay voalaza ho tena matavy sy matsiro tokoa. 2.000 Ar ny iray amin’izany hoy ireo efa nividy. Tsy misy mahalala azy io moa rehefa tsy misy tongony sy lohany hoy ny fanazavana voaray fa mitovy amin’ny akoho voaendy mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao koa ny voalavo rehefa voaendy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT