Sosialy

Marovoay Simba ny tanimbary manodidina ny 1200 ha


  • Zoma 10 Febroary 2023

Manodidina 1200 ha eo no tratry ny fahasimbana ao Marovoay vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chineso, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fambolena sy fiompiana, Harifidy Ramilison.

Mbola anaty rano ny ankamaroan’ny tanimbary amintsika miteny izao, hoy izy, omaly. Misy tanana tsy maintsy nialan’ireo tantsaha hifindra amina toerana azo hametrahana azy aloha. Izany no antony nitondrantsika ireny famonjena toy ny hanampamokarana avy ato amin’ny minisitera ireny. Eo ny masomboly, ny vary, zezika biolojika avy amin’ny vondron’orinasa STOI. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia ilaina ny tohana ara-tsakafo mandra-pidinan’ny rano ka antony nahitanareo ireny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena tany ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT