Sosialy

Marovoay Gara Tontosa ny Tournoi KMMR Moramanga


  • Talata 30 Oktobra 2018

Vita ny alahady 28 oktobra teo, tao amin’ny kianja Marovoay Gara Kaominina Morarano Gara RN 44, ny famaranana lalao baolina kitra nokarakarain'ny TIM Marovoay Gara ka nampitondraina ny anarana « Tournoi KMMR Moramanga ».

 

Nibata ny fandresena  tamin’izany ekipan’i La Poste nandavo ny ekipan’Ambanjo tamin’ny isa 1-0. Akanjo filalaovana « complet » no natao amboara tamin’ity hetsika naharitra 1 volana sy tapany ity ary notolorana lelavola ho fanalana hetaheta kosa ny ekipa resy teo amin’ny famaranana. Nisy lalao fanokafam-bavony nifanandrinan’ireo andriambavilanitra any an-toerana nialohan’ity lalao famaranana ity. Ary satria tafiditra ao anatin’ny fotoanan’ny fampielezankevitra ny hetsika dia nisy mazava loatra ny fanentanana fohy nataon’ny prezidan’ny Kmmr Moramanga, Charlot, niaraka tamin’i Me Lemeza ny amin’ny hiomanan’ny rehetra nanatrika ny lalao hiatrika ny fifidianana ho tontosaina amin’ny 7 novambra 2018 ka hampandaniana indray an’i Dada Marc Ravalomanana kandida n°25 hiverina hitondra ny firenena ao anatin’ny 5 taona manaraka.

Ntsoavina Evariste

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT