Sosialy

Maromandia - Analalava Tratra ireo 11 mianadahy saika hiondrana tany Kaomoro


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Nahazo vahana tato ho atao ny fivohana an-tsokosoko any ivelany indrindra amin’ireo nosy rahavavy tsy lavitra ny Madagasikara ny Kaomoro ataon’ireo teratany Malagasy izay tsy manana taratasy fahazoan-dalana mazava hivoka

 ny sisin-tany. Ny zoma lasa teo dia teratany Malagasy miisa 11 no saron’ny zandary tao kaomina Maromandia distirika Analalava izay efa tao anatin’ny lakana hihazo ireo nosy Kaomoro. Avy amin’ny faritra maro ireo olona tratra hande an-tsokosoko ireo ao ny avy Ambanja, Antsiranana, Analalava, Mahajanga, ary Nosy be. Raha ny fantatra tamin’ireo olona 11 tratran’ny zandary dia ny vehivavy no ankamaroan’ireo hikasa hivoka ny sisin-dranomasina Madagasikara an-tsokosoko. Nosamborina avokoa izy 11 mianadahy ireo izay atao famotorana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao antoerana nahatratrarana azy ireo. Tsy maintsy atolotra ny fitsarana izy ireo aoariana ny famotorana. Anisany nahazo vahana ity fivoahana tsy ara-dalana any ivelany amin’ny alalan’ny fandehanana ny sambo haingam-pandeha. Efa betsaka anefa ireo olona niampita no maty teny ambony ny ranomasina. Mampanotany tena ny tsirairay ity fifindra-monina tsy ara-dalàna amin’ny firenana iray ity. Ny tsy fahazakana ny fasahirana misy amin’izao eto antanindrazana sy ny za-misy ankehitriny ve mahatonga ny olona maro mitsoha-ponena sa inona. Raha ny fanadiahdina nato dia ny faritra Boeny sy Diana no tena ahitana ireo olona mandeha mivoka ny sisin-tany antsokosoko. Mila hamafisina ny fanara-maso ny sisin-dranomasina Madagasikara satria efa betsaka ireo efa tafavoka any amin’ireo nosy rahavavy.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT