Sosialy

Maroantsetra Nopotehin’andian’olona ny JIRAMA


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Nisy andian’olona nirohotra namotika ny atin’ny tobim-paritry ny JIRAMA ao Maroantsetra, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany.

 

Noho ny  fahatapahan-jiro naharitra adiny iray, tao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra tantanan’ny orinasa Tozzi Green, nandritra ny lalao nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Mena an’i Niger, no nampitroatra ireo andian’olona ireo. Tombanana ho 50% ny fahasimban’ny fitaovana sy ny antontan-taratasy tao amin’ny efitra maromaro fiasan’ny JIRAMA any an-toerana. Potika ny rindrina, vaky ny fitaratra, simba ny birao, novakiana ny “coffre” saingy tsy nisy vola moa tao. Teo am-pandrehetana ny afo handoroana ny birao fiasan’ny “releveur”  ireo andian’olona ireo no tonga ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisy ny fifandonana na koa ny aina nafoy. Efa eo am-panadihadiana  ny anton’ny fahatapahan-jiro ny tompon’andraikitra  amin’izao fotoana izao ary hampiantso ny mpitantana ny orinasa Tozzi Green hahafahana mandray fepetra mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony. Efa niverina tamin’ny laoniny ihany koa ny filaminana tany an-toerana nanomboka omaly ary manara-maso akaiky ny zava-misy ny mpitandro filaminana.

Pati

Legende : Tahaka izao ny fahasimban-javatra tao anatin’ilay trano

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT