Sosialy

Maripana nidina ambany Ny aretin-tratra sy ny sohika no tena mahavoa ny olona


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Ny aretin-tratra sy ny sohika no tena aretina mamely amin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao.

 

 

 

 Nanomboka tamin’ny alahady lasa teo, ka hatramin’ny omaly dia maro ireo olona no tonga nitsabo tena tetsy amin’ny hopitaly Hjra, nandritry ny hatsiaka sy ny maripana nidina ambany, izay nambaran’ny mpamatantatra ny toetr’andro. Nambaran’ny dokotera Christian, mitsabo ny karazana aretina toy itony fa betsaka ary maro ireo olona no tratry ny fanaviana, manavy tampoka, manakotsako  ny vanintaolana, marary ny vavony, mikoha-maina, aretin’ny fanaviana no aretina tena mpahazo ny ankizy sy ny lehibe amin’izao fotoanan’ny ririnina izao, hoy izy. Ireo izay efa nahazo fitsaboana tamin’ireo narary ireo moa dia efa namonjy fodiana, fa nisy ny mbola notazonina ary arahi-maso ny fahasalamany. Mila manafana tena, manao evoka amin’ny ranomafana sy sira, ary mihinana sakafo mitondra angovo toy ny katsaka, vary ary tsy atao be menaka ny sakafo, torohevitra avy amin’ity mpitsabo ity ireo. Vantany vao misy soritr’aretina kosa dia tokony hanatona ny toeram-pitsaboana avy hatrany.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT