Mario, manefy mandehandeha

Zara raha mahazo sakafo sy hofan-trano fa ifaliana e !


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Fianakaviana kely iray 4 mianaka avy any Ambatolampy, ary mila ravinahitra eto Antananarivo ry Mario.

Mikatroka amin’ny fanaovana tefy mandehandeha na tefy « mobile » izy …
Miainga vao maraina i Mario, tsy misakafo fa mivantana mitety tanàna miaraka amin’ny fitaovana fiasany. Mikaroka elo simba ho amboarina, vilany ho tampenana, ary asa kely hafa izay afaka anaovany tefy. Amin’ny hariva vao tafaverina an-trano izy, mahandro sakafo arakaraka izay vola azo ny tontolo andro. Indraindray tsy mahazo na inona na inona akory, fa mbola manantena sy mino fa rahampitso indray hisy vintana vaovao. Mahavita hatrany amin’ny 20 km isan’andro i Mario, mitety tanàna maro toa an’i Ambatobe, 67Ha, Analamahitsy, Sabotsy Namehana, sy ireo manodidina. Ny vola azo dia zara raha ampy ho an’ny sakafo sy ny hofan-trano. Noho ny fitadiavana, dia tsy maintsy miaritra sy manohy hatrany, ka tsy mody any Ambatolampy raha tsy hoe misy marary any an-tanana.
Amin’izao, hoy Mario, dia tsy manana safidy hafa izy fa manohy hatrany ny asa fanefena. Efa an-taonany maro no nanaovany izany ka dia miezaka fifaliana amin’ny asa, manohitra ny hakiviana, satria izay no fiainana.

Tia Tanindrazana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT