Amin’ny 14 febroary izao no hatao ny mariazina minisitra iray sy diplaomaty vazaha iray, raha ny tsiliam-baovao.
Minisitra ao anaty governemanta amin'izao fotoana, azo ambara fa manana ny toerany amin’ny politika na dia tsy olo-malaza be aza. Efa elaela ihany satria taorian’ny 2009 izy no tazana teo amin'ny sehatra politika. Ilay diplaomaty indray dia avy tompon'andraikitra ambony tamina masoivohona firenen-dehibe iray eto Madagasikara. Amin'ny maha diplaomaty azy dia matetika miresaka sy mifandray amina sokajin'olona maro izy na mpitondra io na mpanohitra na olona avy amin’ny sehatra tsy miankina na vondron'olona. Tamin'ireny fihaonana mety niverimberina ireny no nifankahitany tamin'ity mpanao politika, tompon'andraikitra ambony ity. Araka ny tsiliantsofina re koa dia nifandray tsara ny tadin-dokanga ary izao samy tapa-kevitra hiroso amin'ny lalindalina kokoa izao. Tsy navoaka aloha ny anarana mba ho fanajana azy ireo fa tsy maintsy ho fantatra eny ihany moa izy io, indrindra fa rehefa manomboka miparitaka ny taratasy fanasana. Mariky ny filaminana ara-piainana (stabilité) ho an’ny tompon’andraikitra ambony ara-panjakana ny fananana tokantrano ara-dalàna. Mety ho fepetra hahafahana mametraka azy amin’ny toerany ihany koa aza. Ny olona tendrena ho tompon’andraikitra ambony na mirotsaka amina fifidianana matetika, dia anisan’ny herijika ho azy io satria mety hadika ho tsy fahamatorana sy tsy fahazakana andraikitra ny tsy fananana vady ara-dalàna. Tsaroana, ohatra, tamin’ny taona 2013 fa fotoana fohy nialoha ny fifidianana no nisora-panambadiana ny kandida iray. Heverina fa hiavaka sy hanan-tantara ity fanambadiana olona ambony samy manana ny maha izy azy ho avy tsy ho ela ity. Andro hankalazana ny fetin’ny mpifankatia rahateo ny 14 febroary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.