9 taona no niandrasako, niandrasanao ity fifidianana ity. Kihon-dalana ho an’ny tantara izao, ka mahaiza misafidy, hoy i Marc Ravalomanana raha nitsidika ny tapany avaratra andrefan’ny nosy iny omaly dia tao Port Bergé sy Ambanja.
Nihaona tamin’ny vahoaka Malagasy aho ary niresaka tamina sehatra maro manerana izao tontolo izao, toy ny firenena matanjaka, ny mpamatsy vola toy ny banky Iraisam-pirenena, FMI … izay vonona amin’ny fanatanterahana ny MAP 2. Tsy maintsy miasa miaraka amin’ireo firenen-dehibe isika. Tsarovy tsara fa tamin’ny 2005 i dada dia namafa ny trosa rehetra an’i Madagasikara, hoy izy. Efa neken’ny mpamatsy vola ny « manifesto » hanatanterahana izany miaraka aminy, ary niaraha-namolavola tamin’izay ireo rahateo. Nohamafisiny tany Ambanja io. Ny mpamatsy vola dia efa vonona tamin’ny MAP ary hanohy izany amin’ny MAP 2. Tsy hanao fifanarahana maloto amina vola misy tambiny famarotan-tanindrazana izy, ary harovana ny harena izay an’ny Malagasy na an-dranomasina na an-tanety. Hampitomboina ny fidiram-bola sy ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Hakarina ny lanjam-bola satria raha tamin’ny androny dia 2.500Ar ny sandan’ny Euros iray, hapetraka ny tontolo manampy ny famoronana asa satria talentany ny manangana orinasa, ka porofo iray ny MBS sy ny Tiko,… Hampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany,… ka hamoraina ny famatsiam-bola sy fampindramam-bola. Ny ZIZ avy any Alemaina, ohatra, dia efa vonona amin’ny fiaraha-miasa. Hamoraina ny fananantan-tany ho an’ny Malagasy, ary tsaroana tsara fa i Madagasikara no voalohany nomen’ny Amerikanina famatsiam-bola tamin’ny alalan’ny MCI (Millenium Challenge Account), ary tamin’ny fotoan’androny rahateo no niantombohan’ireny Birao Ifoton’ny fananan-tany ireny na ny BIF. Ny resaka angovo dia notsiahiviny sy nanaovany fampitahana ny vidin-jiro tamin’ny 2007 sy ankehitriny, ka ampiasaina ny fomba sy ny teknolojia sy fahaiza-manao rehetra hahafaha-mamaha ny olana, hoy izy. Eo ihany koa ny rano fisotro madio. Mikasika ny fitsinjaram-pahefana, fifidianana fa tsy tendrena intsony ny tompon’andraikitra isaky ny ambaratonga mba hiantohana ny tombontsoan’ny vahoaka mba hamerenana ny fifampatokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Ren’ny sofiny ny fahoriana sy fitarainana nataon’ny mponina, tsy eo amin’ny lafiny fahantrana ihany fa eo amin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny sehatra rehetra, ny olana tsy hahafahan’ny ankizy hiditra an-tsekoly intsony, ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa isan-karazany, ny tsy fananan’asa, sns… Manaitra ny hambom-pony ireo toe-javatra mihatra amin’ny mpiray firenena aminy ireo ary mandrisika azy hanompana ny fahaizany amam-pahalalany sy ny fahendreny hamerina indray ny hasin’ny Firenena Malagasy eo anivon’izao tontolo izao. Nanome toky i Marc Ravalomanana fa efa eo izao ny MAP 2 izay havadika ho asa ka tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena. Misy ny sakana amin’ny endriny maro samihafa, tsy vitsy ny misompatra ary tsy mitsahatra ny fandrahonana. Tsy mampihemotra ny kandidà laharana-25, Ravalomanana Marc, ireo satria ny vahoaka Malagasy no mitaky famonjena ary ny Firenena Malagasy no mila fanavotana. “Miara-miasa no fahombiazana” ka tsy maintsy mandray andraikitra ny Olom-pirenena tsirairay hisorohana ny fiverenan’ny mpandrava sy mpandrodana ary mpanao gaboraraka eo amin’ny fitondrana indray.Ny olona rehefa mandray anjara na 100Ar aza tsy azo vidiana intsony, ary izay ilay hoe: “ésprit participatif”, hoy I Dadavalo satria mifantsika ao an-tsaina ny hoe: anay io, anay i Dada, hataonay izay hahalany azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.