Sosialy

Manomboka mitroatra ny olona Mba hidina ve ny faktioran’ny Jirama ?


  • Zoma 17 Jona 2022

Roa ka hatramin’ny 6ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo Renivohitra. Misy aza mahatratra hatrany amin’ny adin’ny 10, ao ny milaza fa 2 ora ihany ny jirony no mandeha ao anatin’ny iray andro,…

Ny any amin’ny faritra moa misy iray andro tontolo tsy mandeha, misy aza voalaza fa hitsahatra 5 andro noho ny tsy fisiana solika. Potika tanteraka ny asa fihariana ho an’ireo manana fivelomanana miankina amin’ny herinaratra. Fanontaniana mipetraka ny hoe: mba hisy fiantraikany amin’ny faktiora alohan’ny mpanjifa ve fahatapahana ora maro isan’andro sa ho toy ny mahazatra hatrany? Ny Jirama etsy andaniny milaza fa hampitombo ny fampidiram-bola: 365 miliara ny tanjona amin'ny vola tsy ho very ary hiezaka hampifandanja ny vola miditra sy mivoaka, hamafiisina ny récouvrement na fanamafisana ny fandoavana faktiora,… Etsy andaniny, vokatry ny delestazy lava io, manomboka mitroatra ny olona, tahaka ny niseho teny Itaosy omaly takariva satria tezitra noho ny haizina lava ny vahoaka. Raikitra ny fidinanana an-dalambe, fanakanan-dàlana sy fandoroana kodiarana,… Voatery nanetsika mpitandro filaminana indray ny Fanjakana nandrava ny hetsika nataon’ny olona. Efa tena tafiakatra farantampony ny hatezeran’ny olona etsy an-kilany, saingy mandrindra delestazy ankehitriny no toa tena andraikitry ny Jirama, miampy fampanantenana lava.
AIZA ILAY VAVA BE TAMIN’IZANY E ?
Mitamberina ireo vava be sy fampanantenana tamin’izany. Ankoatra an’ilay an’ny filoha tamin’ny propagandy nilaza ny hafa ho mpampiesona ka hamokatra herinaratra 400MW, dia mitamberina ihany koa ny vava be nataon-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy tamin’izany. "...Rahampitso sy rahafakampitso ny olona mitaky an'io delestazy io hoe aoka izay ihany koa, raiso ny andraikitrareo fitondram-panjakana. Tokony afaka midina an-dalambe dia tokony afaka maneho hevitra ao Ambohijatovo. Izaho dia anisany mihitsy amin'izany, izaho ihany koa dia mba handeha mba hitolona ao Ambohijatovo hoe: "non au délestage" fa mijaly ny olona. Ankehitriny izany, tsy misy "moyen" mihitsy ahafahanao mampita amin'ilay fitondram-panjakana hoe tsy faly ianao vahoaka amin'ilay delestazy. Any anaty Facebook ianao iza no hihaino anao any, iza no hamaky anao any, any efa mila hanompa mihitsy hoe: aha dia tena tsy rariny, Jirama tsisy ilàna azy, dia tena mampijaly ilay vahoaka, tsisy ilàna ity fitondrana ity, any ianao no mimenomenona dia ça s'arrête là". Mbola tsaroana ve ny vava be tamin’izany? Moa tsy mihoatra lavitra noho ny taloha ny delestazy? Efa manomboka mampihatra ny nambarany ny mponin’Itaosy, ary mety hiitatra io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT