Sosialy

Manjakaray Lasibatry ny afo ny trano vadim-piangonana


  • Zoma 06 Septambra 2019

Nitrangana hain-trano tao Manjakaray, omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora sy 36 minitra. Lasibatra tamin’izany ny trano vadim-piangonan’ny fiangonana Advantista noho ny “court circuit”.

 

 

 Lasa lavenona ny entana tao anatina efitrano miisa telo dia ny efitrano fandriana, ny lakozia ary ny fametrahana korontan’entana. Avotra kosa ny tao amin’ireo efitrano roa lehibe, raha araka ny fanadihadiana natao. Fotoana vitsy monja  taorian’ny antso voarainy mantsy dia efa tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina ka 30 minitra dia voafehy ny afo. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Raha araka ny fanazavan’Atoa Razafindrabe Parfait Mamy,  kaomandan’ny kaompania eo anivon’ity sampandraharaha iray ity ihany koa dia ny 30 %-n’ny entana ihany no may fa avotra ireo antontan-taratasy sarobidy sy ny vola. Tsiahivina fa misy rihana ity trano ity saingy angara no ambany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT