Sosialy

Manjakaray IIB Nahazo fanampiana ireo may trano


  • Talata 05 Jolay 2022

Nanampy ireo Fianakaviana may trano tao amin’ny fokontany Manjakaray IIB sy ireo mpianatra miaraka amin’ny ray aman-dreniny sy ny mpanabe azy ireo tao amin’ny EPP Ivandry noho ny famaranana ny fankalazana iray volan’ny

ankizy ny filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI-V, Hanitriniala Raholdina, ny faran’ny herinandro lasa teo, hoy ny fampitam-baovao. Tao amin’ny EPP Ivandry no namaranan’ity fikambanana ity ny fakalazana ny volana jona ka araka ny filamatry ny fikambanana manao hoe “Aza manao kely tsy mba mamindro” no nanolorany “Gourde”, “classeur”, vatomamy, sokola, biskoitra sy maro hafa ho an’ireo ankizy an-jatony ary fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na PPN toy ny vary, menaka, “macaroni” ho an’ireo ray aman-dreniny avy. Tsy diso anjara ihany koa ireo mpampianatra sy mpandrandraharaha teo anivon’ny sekoly . Nanampy ireo fianakaviana may trano tao amin’ny Fokontany Manjakaray IIB ihany koa ity fikambanana tarihin’ny filohany, Hanitriniala Raholdina, sy ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina vadiny, ary ny ekipany ity ka nanolotra tafo fanitso am-polony, “bois rond”, “planche”, “bois carré” an-jatony ary fantsika sy maro hafa mba hahafahany mipetraka avy hatrany sy miverina amin’ny fiainany an-davan’andro indray ankoatra ny fanampiana fitaovana ilaina andavanandro toy ny sio sy koveta. Tsy adinony ihany koa ny nanome fanampiana ara-bola. Ny manampy ny tena sahirana araka izay tratry ny heriny no tanjon’ny fikambanana mba hahavonjy ny vahoaka sahirana eny amin’ny Boriboritany fahadimy, indrindra, amin’izao faha 15 taona nijoroany ara-panjakana izao raha efa ho 20 taona mahery no nanaovan’izy mivady izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT