Sosialy

Manjakandriana Vita ny 90% n'ny asa vaventin'ilay tobim-pamokaran-drano


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Mandroso dia mandroso ny asa fanorenana tobim-pamokaran-drano vaovao ao Manjakandriana. Ny 90% n'ny asa vaventy no efa vita ankehitriny. Tetikasa izay iarahan'ny JIRAMA sy ny WaterAid manatanteraka.

 

 

 Mponina manodidina ny 15 000 amin'ny Fokontany valo dia i Ambohimiadana - Ampiadianombalahy - Anosimanarivo - Fiadanana - Manankasikely - Manjakandriana - Marinjara ary Volavy no hisitraka ny tetikasa. Hamokatra rano 1200m3 isan'andro ity tobim-pamokaran-drano ity. Maro ireo foto-drafitrasa haorina miaraka amin'izany toy ny toby fisintonan-drano miisa roa, toby fanadiovan-drano 50m3 isan'ora, siniben-drano 400m3, tambazotra mpitsinjara rano 12,5 km ary fampidiran-drano ho an'ny tokantrano 205. Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ny faran'ny volana septambra izao no hanomboka hiasa ity tobim-pamokaran-drano vaovao ao Manjakandriana ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT