Sosialy

Manizingizina ny JIRAMA “Azo sotroina tsara ny rano tsinjarainay”


  • Zoma 28 Febroary 2020

Manoloana ny filazana an-gazety, nivoaka omaly 27 febroary, izay milaza fa tsy azo sotroin’ny olombelona ny rano tsinjarain’ny

 

 

 

JIRAMA dia manohitra izany fanakorontanana saim-bahoaka izany izy ireo ary manamafy fa azo antoka ny rano vokarin’ny JIRAMA sy ireo tsinjarainy ho an’ny mpanjifa. Misy ny fangalana santionan’ny rano amin’ny toerana maromaro isan’andro (tobim-pamokaran-drano, tambajotra mpitsinjara rano, robinets any an-tokantrano ary paompin-dranon’ny daholobe, hoy izy ireo hanaraha-maso izany. Manana laboratoara fanaovana fitiliana « physico-chimiques » ny JIRAMA ao Mandroseza ary miara-miasa akaiky amin’ny Institut Pasteur de Madagascar amin’ny fanaovana fitiliana « bactériologique ». Manaraka ny ambaratongam-panadiovana takian'ny fenitra iraisam-pirenena ny rano vokarin’ny JIRAMA manerana ny nosy (décrets n°2003-941 et n°2004-635) ary manaja ireo fenitra napetraky ny OMS. Tsara ny manamarika fa ny fangalana santionan-drano hanamarinana ny fahadiovany dia mitaky fanajana fepetra hentitra ary tsy maintsy olona manampahaizana no manatanteraka azy, mba hisorohana ny fandotoana tsy nahy izany santionan-drano izany. Hantitranterina ny mpanjifa  fa raha misy tranga fiatoan’ny famatsiana rano dia mety hiova ny endriky ny rano, hoy ny JIRAMA. Manentana ny rehetra mba handefa ny robinet mandritra ny minitra maromaro ny JIRAMA mialoha ny hampiasana ny rano.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT