Sosialy

Mangily Ifaty Sahirana ny mponina, tsy misy asa mandeha


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Sahirana avokoa ireo mponina ao Mangily Ifaty any amin’ny distrikan’i Toliara II. Tsy misy afa-tsy ny fambolena sy ny fizahan-tany mantsy no hany no seha-piveloman’ireo mponina any an-toerana.

Noho ny tsy fisian’ny rotsak’orana anefa dia tsy misy ny vokatra miakatra. Vitsy dia vitsy ihany koa ireo vahiny tonga any an-toerana hany ka tsy mandeha ny resaka fizahan-tany. Mitaky foto-drafitr’asa ho fampandrosoana ny faritra sy orinasa goavana araka izany ny Ben’ny Tanànan’ny kaominin’i Belalanda hahafahana manampy ireo mponina ao amin’ny faritra iadidiany. Nomarihiny moa fa hetsika maro no efa notontosain’ny orinasa Base Toliara tao amin’ny faritra iadidiany sy ny manodidina rehetra ka anisan’izany ny fandefasana ireo tanora nanao fiofanana tany Kenya. Ny fitondram-panjakana sisa araka izany no andrasana hoy izy ireo mba hitondra ny anjara borikiny fa tena mangirifiry ny mponina.
Nangonin’i Pati
Legende : Mangina hatramin’ny resaka fizahantany eto Mangily
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT