Sosialy

Mangarivotra Itaosy Mbola tsy hita izy telo mianadahy


  • Zoma 10 Janoary 2020

Zaza telo mianadahy iray tampo dia Randrianjatovo Elysé, 11 taona, Nambinintsoa Luc Fiderana, 8 taona ary Raharimalala Lovasoa

 

Fifaliana no indray nanjavona teny Mangarivotra Itaosy  ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora hariva raha nilalao baolina teo an-tokotany no nahitana azy ireo farany; mbola tsy hita izy ireo hatry ny omaly hariva nanoratana ny vaovao. Sendra tsy tao an-tokantranony ireo nahitan’izy 3 mianadahy ireto masoandro tamin’io fotoana io. Raha araka ny fanadihadiana natao dia  misy ihany ny olona efa ahiahian’ireo fianakaviana ho nahavita naka azy 3 mianadahy ireto saingy mbola miandry ny an’ny polisy izy ireo. Mpiompy akoho izy ireo raha ny fantatra  ary mpamboly ireo  iray tanàna aminy. Misy ny tsy  hifanarahana eo amin’ny roa tonta, hoy ny renin’ireo  zaza  ka mampanahy azy ireo. Nomarihiny fa nohidina ny varavarana tamin’ny fotoana tsy naha tao an-trano azy ireo saingy ny nahavariana dia voatery nopitsohana vao nivoha. Toa nikorontana ihany koa ny tao an-trano, hoy hatrany izy. Efa nametraka ny raharaha eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny fianakaviana. Ny laharam-pinday  034 28 201 82 na 033 02 118 05 no hahafahana mifandray amin’izy ireo raha misy manam-baovao mifandraika amin’ny fahaverezan’izy 3 mianadahy kely ireto.

Pati

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT