Sosialy

Mandrosoa Faravohitra Notoloran’ny kaominina fanampiana ireo traboina


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Tsy nanadino ireo traboina vokatry ny hain-trano nitranga tao amin’ny fokontany Mandrosoa Faravohitra ny herinandro lasa teo ny Kaominina Antananarivo Renivohitra omaly,

notarihin’ny delegen’ny boriborintany voalohany Atoa  Bernard Joseph sy  ny tale misahana ny asa sosialy eo anivon’ny kaominina ny Dokotera Prisca Andriantseheno.  Fianakaviana sivy ireo notolorana fanampiana  nahitana kojakojan-dakozia sy fotsimbary. Ankoatra  izay dia hanampy ireo mponina tamin’ny fanamorana ny fanamboarana ireo antontan-taratasy izay ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny boriborintany voalohany. Mbola ho avy eny an-toerana ireo tompon’andraikitra ara-teknika avy ao amin’ny kaominina hijery ifotony ireo fenitra sy toromarika izay tokony harahina amin’ireo fomba fananganana trano, miaraka amin’izany ihany koa ireo fitaovana fanaovana trano toy ny biriky, fasika, simenitra, tafo. Araka ny nambaran’ny delegen’ny boriborintany voalohany dia fanampiana ihany ireto atolotry ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireto fa anjaran’ny tsirairay ny miara-misalahy amin’ny fanorenana. Anisan’ny fijerena ny maha olona sy ao anatin’ny asa sosialy izay efa fanaon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny asa famonjena ny mpiara-monina tahaka izao. Nofaranana tamin’ny fanentanana ny tsirairay ny mba samy hitandrina sy ho mailo hatrany manoloana ny hain-trano ny hetsika nataon’ny kaominina.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT