MANDRITSARA

Vidiana 800 Ar ny rano iray « bidon »


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Mbola tsy voavaha ihany koa ny olana ara-drano ao anatin’ny distrikan’i Mandritsara.

Vitsiana ireo paompin-drano fisotro mandeha hany ka mifandrombaka ireo rano anaty vovo sy renirano mandeha ny mponina. Tsy tena ara-pahasalamana anefa izy ireny indrindra fa ity farany. Tsy vitsy ireo lasa marary kibo indrindra fa ireo ankizy madinika raha atahorana mafy ihany koa ireo karazan’aretina azo avy amin’ny loto. Lasa vidiana 800Ar ny rano iray bidon miloko mavo alaina avy any Mangarahara noho izany. Mitondra sarety miaraka amin’ireo “bidon” ireo ny mpitatitra ary mitsinjara izany ho an’ireo tokantrano manana fahefana ny hividy izany. Marihina moa fa tapaka lavareny ihany koa ny herinaratra any amin’iny faritra iny ka sady mijaly rano ny mponina no mijaly jiro.
Pati
Legende : Mafotaka tahaka izao ny fitadiavan-drano hataon’ny sarety manerana ny tananan’i Mandritrasa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT