Sosialy

Mandritsara Renivohitra Hifampitadiavana ny rano fisotro madio


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Tsy misy rano fisotro madio ao anatin’ny faritra maromaro mandrafitra ny kaominina ambonivohitr’i Mandritsara.

Efa ao anatin'ny vanim-potoanan’ny hafanana rahateo ny any an-toerana amin’izao ka saika efa ritra avokoa ireo loharano mamelona ny renirano. Tapaka ao anatin'ny fotoana maharitra hatrany ny toby fakana rano na ny"borne fontaine". Mahatsiaro ho sahirana araka izany ny mponina. Anisan’ny tena miaina matetika izany raha araka ny vaovao azo ny Fokontany Mandritsara Vaovao, sy ireo faritra avo maromaro ao andrenivohitr'Androna. Raha araka ny fanazavana azo avy tamin’ny orinasa JIRAMA mpamatsy rano moa dia vokatry ny fahasimban’ny milina mampakatra ny rano avy ao Mangarahara no antony mahatonga izany. Mbola ao anatin’ny fanarenana tanteraka ny tompon’andraikitra amin’izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT